Ny Ankohonako - Nantto
Ny Hery Lanto no voalohany
Tsy hoe miady ho lohany
Fa izy no lahimatoa
Mpiaro anay ihany koa
I Andry no faharoa
Izay mamela soa
Tantely Maminiaina
Tena andrandraina
I Zo no vavy tokana
‘Zay tsy mba mihotsokotsona
Mahasoa sy mila soa
Ho tena reny tokoa
Ny Mahatoky no manaraka
‘Zay kitro hifaharana
Mahery izy tsy mikoro
Mandrindra ny tontolo
Ny Mirija no farany
‘Zay tsy azo andaharany
Henintsoa ihany koa
Mikaro-javasoa
I Neny sisa no eo
Mandrindra azy ireo
Mizara sy mikolo
Manoro ny atao hoe tontolo
I Dada mantsy efa lasa
‘Zay nametraka kinasa
Ny tanjona tsy miova
Manoro tsy miova
Ireo ‘zahay eni-mianaka
Miatrika, tsy miakana
Miandry sy mijoro
Manamboatra ny tontolo
Ny ho avy no banjinina
Ny lasa tsy haninina
Satria fitia no mampijoro
Fitiavana tsy mampikoro
Hevitra mandeha
hery (14/03/2019 21:53:26)
Mombamomba
Mpanoratra : Nantto

Nampiditra : nantto
Daty : 24/12/2009
Mpamangy : 1689
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ny MasoandroAmitié amoureuse
Ry Zanako vavy
Ny teny
Remembering
Malalan'i Setry
Fanorenana
Ny ho avy
Dindona
Change