You are here: home > Vetso

Fanorenana - Nantto

Azo vakiana?

Mitsangana mandehana
Mitsangana manambara
Mitsangana mianara
Mitsangana mananara

Manorena ainga vao
Hanavao ny tontolonao
Ialao ny fahalainana
Mianà ny tena fiainana

Mifandraisa amy fototra
Mandraisa endrika fototra
Ialao ny toetra tsy rototra
‘Zay manimba mahafosotra

Ny olombelona ilaina
Olombelona manan’aina
Mampiaina ny tontolo
Manala ny bobongolo

Miambena ny naorina
Miandrasa ny mangorona
Mikajy ny fahendrena
Mandraria f’aza mienaena

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Nantto


Nampiditra : nantto
Daty : 21/12/2009
Mpamangy : 1089
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ny Masoandro
Amitié amoureuse
Ry Zanako vavy
Ny teny
Remembering
Malalan'i Setry
Ny Ankohonako
Ny ho avy
Dindona
Change