You are here: home > Vetso

Ry Zanako vavy - Nantto

Azo vakiana?

inona zato mapanjombona ry zanako vavy
Inona no mampisento ka mahalasa vinany
Ny fiainana va no makivy fombany izany
Aza ketraka rahavako, aza mora kivy
ny ho avy banjinina hampisy tsiriry

Mitraka, miharena,
Miandry ao ny ho avy ka mihorena
Miaingà ka misikina hery
Misalora fahavononana handrava ny elo

Manantena anao ny tontolo
Aza avelo ho bobongolo
Manamboara faneva hanoherana ny miheva
Mandrato fahalalana hampamiratra ny jamba

Mihaino ny Zokiolona, aza laozana miolonolona
Mibanjina ny lasa ka jereo ny kinasa
Mivonona hanova ny tsy mety hanonga
Mijoroa amin-kery fa ny tena ts mba very

Dia hamiratra ny andro
'reo mpanaraby ihilana rano
Dia hazava ny lalana
Mandrosoa ho amin'ny lalina

Mombamomba

Mpanoratra : Nantto


Nampiditra : nantto
Daty : 18/11/2010
Mpamangy : 1358
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Ny Masoandro
Amitié amoureuse
Ny teny
Remembering
Malalan'i Setry
Ny Ankohonako
Fanorenana
Ny ho avy
Dindona
Change