Nanofy anao za (Nat'urel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natory dia nanofy anao izaho alina
Dia niaraka nidola za sy ianao teny amin ireo kintana an-alinalina
Dia nandeha lalan-davitra Nefa tsy nahatsiaro reraka
Fa tamin iny nofy iny koa hoe:izaho sy ianao nifampiteraka
Nofy!!Mbola sarotra fantarina
Nefa nakafia 'lay nofy izaho ka fanahiniako tsy niarina
Satria ny endrikao mamiratra tao anaty nofy
Dia itako hoe mba ho tanteraka ngamba 'lay toky
Dia nisento irery izaho rehefa niarina avy teo
Fa enao sy lay nofy dia tsy hitako avieo
Fa toa izaho irery indray nony tonga ny maraina
Fa nalaelo izaho raha andeha irery ka nitsangana malaina!
Mikalo F'tia Nat'urel
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nat'urel
Nampiditra : mikalofitia
Daty : 18/06/2015 07:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147