BIBY (Niry-Solosoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangaron-dela : ny mpanadihady;
Mangarom-bava:ny mpamosavy;
Mangarom-paosy ny olon-tsy vanona;
Mangarom-bilany ny tendan-kanina!
Mangarom-biby an-davaka kosa
ny olona sahy tsy mba kanosa,
f'ity biby 'ty kay tsy masiaka
tsy mba mitrerona tahaka ny alika,
tsisy atahorana tsisy ahina
na dia tafiditra anaty fandriana
fa mahafatifaty mitovy am'i Bozy:
tsy inoa izany fa ny totozy!

NIRY-SOLOSOA
--------
Rohy:
1768 3
Mpakafy: Nikalo - aigredoux - geogeo
Hevitra mandeha
aigredoux ( 30/11/2006 10:43)
Mahay ka, omeko isa betsaka mintsy zany
Tokinao ( 30/11/2006 12:33)
hihihi! tena mahita soratana rangah nareo 'ka. :)
ounjasou ( 01/12/2006 13:16)
de natelin'ny totozy ve ilay saka sa?
Simpona ( 01/12/2006 16:45)
hay ve totozy e :)
Mlay e =D
papounette ( 02/12/2006 06:48)
zà matahotra totozy!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Niry-Solosoa
Nampiditra : kihy
Daty : 29/11/2006 08:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137