FITENY HAOLO (Niry-Solosoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ny heloka ibabohana mody rariny,
ny rariny itompoana mody heloka"

FITENY HAOLO!

Tsy rariny "ny heloka ibabohana mody rariny" fa tena HAFETSENA!
Tsy rariny "ny rariny itompoana mody heloka" fa tena FANDEMENA!
Ny diso ve afahana?
Ny marina hitsahina?
Tsy mainka hantsana sy hady
mampihenjana ny tady?
Ny famindram-po? Tsy ilain'ny Vaninandrontsika,
rotoroto maika ara-tsatelita, kajy indray mipika !
Gasy hentitra misaina!
Izany izao no ilaina!

Koa ireo fiteny, marina amin'ny Ntaolo,
efa tena haolo
raha ny tena marina
tsy tokony hampiharina
no sady tsy hotononina,
fositra mikiky ny fiarahamonina,
mainka mampirongatra ny asan'ny devoly,
boikan-doharanon'ny tena kolikoly...

Ny meloka? Mendrika hofaizina hijinja izay nafafiny!
Ny marina: tandroka hifaharan'ny zanaka aman-jafiny!

Ny marina
tsy avarina
no hisian'ny fandrosoana hany tena marina;
Ny sisa? Tavitavin-dela mateza sy itarina !

NIRY-SOLOSOA
(23.08.04)
--------
Rohy:
1386 0
Hevitra mandeha
ledada ( 05/01/2007 07:08)
ny fiaraha-monina koa etsy andaniny miezajka "mamorona" mba hanatsarana kokoa ny fiainana, fa hoy indrindra E.D. Andriamalala oe "na ndia tsy nisy aza ny tsiny sy ny tody, dia NOFORONINA izy ireny mba ho arofanina tsy hianjerana any @ fanjakan'i Baroa"
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Niry-Solosoa
Nampiditra : kihy
Daty : 04/01/2007 13:52
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142