FANAINGALAVITRA (Niry-Solosoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANAINGALAVITRA

lalan-tsy nodiavina
mandalo tevan-dalina
maizi-mahafanina
lala tsy notiavina
manalok'isan'alina
maninto-mahamanina

roso tsy mihemotra na sarotra ny dia
tsy mahalavi-tany ny fo mifangia
fa noterem-pitia

iny lala iny na dia tsy fanta-paritra
tsy very lalana aho fa voam-panaingalavitra
ny dia tsy maintsy tody
ny tia azon'ody


NYRY-SOLOSOA
Ampandrana 18 janoary 2011
--------
Rohy:
1394 1
Mpakafy: Nikalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Niry-Solosoa
Nampiditra : anafafidos
Daty : 02/03/2011 11:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141