MIANGALY (Niry-Solosoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANGALY

Ny hoditra malamany mainty ngalingaly;
Ny tsikiny malefaka toa kristaly;
Fotsy sy botsiaka ny lahatry ny nify;
Ny randrandrandram-bolony,madinika,manify;
Ny maso baibari sariaka mahamanina
manintona mpijery, rendrika sy fanina;
Ny fijorom-batany toa fototra rofia
Vorivory nofo bikàna tsy mahia!

Ny tovovavy gasy? -Miangaly angola vaitra
rehefa "fampitaha" ka zovy no tsy taitra?
Ny tena viavy gasy? -raha toa tsy fantatrao
ambarako aminao tsy ho azo ho kilalalao :
Manda tsara hidy ny ao am-bavahadiny,
Ny afaka mankao?...iay hany tena vadiny!
Izao anefa indrisy, toa voaviravira
rehefa notambazana...vola sy safira!

NIRY-SOLOSOA
(07.12.02)
in "TEPON'ONJA" (Febroary 2005)
--------
Rohy:
1301 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Niry-Solosoa
Nampiditra : kihy
Daty : 08/01/2007 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015