Raha eo ianao, malala... - Niry-Solosoa
Azo vakiana?
Raha eo ianao, malala, ny ririnintsika,
inoako marimarina fa tsy hangatsiaka;
iarahana mitafy ny bodofotsintsika
na efa tontalazo manomboka hitriatra.
Ny ririnintsika hanjary lohataona,
ny ao am-patantsika hisy amindroana;
hiakatra ny ambiaty arotsaka ao an-daona,
ireto zanatsika akory tsy ho noana...
Tsy hamirifiry intsony ny naran'ny ririnina,
ny tokantranontsika ho vonton-kafanana;
raha eo ianao, malala, dia azoko fihinina
tsy higoragora intsony fanantenana.
Fa mila mpanafana ny tranobongotsika
ho tondraky ny mamy azo anamparana;
ho resy vaky bao ny vesatry ny hatsiaka:
isika miombona aina no tena hasambarana.
29 marsa 1988
Hevitra mandeha
volana1 (13/03/2008 07:22:56)
Marina mihitsy izany e ! raha eo ianao dia tsara daholo ny zavatra rehetra
Mombamomba
Mpanoratra : Niry-Solosoa
Nampiditra : ombreDaty : 16/12/2006
Mpamangy : 2007
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FANAINGALAVITRAMIANGALY
FITENY HAOLO
TOBIN-TSARETY RIRININA
TANA-MIFANDRAY
BIBY