You are here: home > Vetso

IANAO - Nisainana RAFETRARIVO

Azo vakiana?

Ny masoko mijery
Ny saiko mandinika
Ny foko manam_pery
Miandry ilay dinika

Lafatra ianao miavaka amin'ny maro
Tsy misy mihintsy angamba ny toa anao
Singa tokana tsy afangaro

Ianao raha mijery,manopy maso ahy
Mamokatra hery mandona ny fanahy
Ianao raha mitsiky,manasitrana ilay fery
Ny fisianao rahavako mampitombo indray ny hery


Nisainana RAFETRARIVO_Tononkalo 01
07_09_2022

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : Nisainana RAFETRARIVO

Nampiditra : NISAINANA
Daty : 07/09/2022
Mpamangy : 100
Mankafy : 2