Toky tsy ho fitaka (Nisainana RAFETRARIVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toerana no lavitra
Tsy sanatria hiova ny fitia
Ny foko tsy ahavita
Raha oe ny hanadino andrie


Isan'andro tsy mahatombona
Te hiantso ny anaranao
Te hitampify eo ambozona
Hifamihina tsy hifandao


Maro koa ny fakam_panahy
Mety hisompatra sy hampiofo
Saingy za efa tsy manahy
Manana anao tokako tsy hiova


Izaho koa tsy hiova sanatria
Na lavitra ny toerana
Na maro fakam_panahy
Ilay fitia tsy hanampataperana

Dim 08 Jan 2023
Rafetrarivo Nisainana Tsotsoa
--------
Rohy:
425 1
Mpakafy: NISAINANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nisainana RAFETRARIVO
Nampiditra : NISAINANA
Daty : 08/01/2023 03:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138