Tso-drano (Nisainana RAFETRARIVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSO_DRANO

Hitso_drano anao aho malalako taloha
Eny,hirary soa ihany koa
Ho ambinin'ilay Tsitoha
Mba tsy hisaraka intsony ianareo roa

Fa ho lamban'akoho
Ny fitia izay hajoro
Eny tsy hisampan_droa koa
Hazava tsy ho foana jiro

Hisosa tsy ho fefika
Fa ho tonga ampitodihana
Ho fitia tsara tefy
Ho fitia tsy hitongilana

Dia mirary soa ho anao
Misaotra tamin'ny fotoana niarahana
Marary saingy tsy misy azo atao
Mamirifiry ilay fisarahana

Lundi 06 Mars 2023 11h:30mn

Nisainana Rafetrarivo Tsotsoa
--------
Rohy:
597 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nisainana RAFETRARIVO
Nampiditra : NISAINANA
Daty : 06/03/2023 08:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138