ILAY TAMIN'IZANY (Njakahery ANDRIAMALALA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TAMIN'IZANY Fony mbola tsy niroso,
Nitia anao antsokotsoko,
Tena sambatra aok'izany,
Ny miaina eto an-tany.
Fony vao tsy nahalala,
Ianao hoe manana Malala,
Mifankatia tsisy otr'izany,
Tsisy mihoatra ny eto an-tany
Fony mbola tsy nahita,
Nareo niaraka niampita,
Nifampitantana aok'izany,
Tena mamy ny eto an-tany.
Fony vao ilay nahatazana,
Ilay endrikao re rahavana,
Dia nanantena mafy hatrany,
Ho sambatra indray andro any.
Njakahery ANDRIAMALALA
(03 Février 2025 t@ 10h 38 min)
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
