NOFY LALINA (Njakahery ANDRIAMALALA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY LALINATsy tsaroana ny eto an-tany,
Fa toa nofoanan'ny eritreritro,
Fa any anaty nofiko any,
Tena tony izany feriko
Fa iny alina manontolo,
Toa vita sary iray ihany,
Dia foana daholo,
Na ny sento na tomany
Ao anaty masoko ao,
Endrikao tsy analana,
Sady fiainam-baovao,
Ny ririnina nihanafana
Ao anaty sofiko ao,
Feo manaitra ny any anatiko,
Tsaroako foana izao fandrao,
Ny hiery anao anie tsy tantiko
Ao an-tsaina avokoa,
Na hatramin'ny famindra,
Ny hany sisa ao am-po,
Ianao no mamiko indrindra
Toa tsy mba re akory,
Raha izany havizanana,
Na ity fo izay tena ory,
Nangina koa f'ianao no namana
Nangina hatramin'irony lasako,
Ny ho avy tsy nosainina akory,
Ny anilanao ny anio no fantatro,
Foana koa ny sorisory
Toa tsisy tsapako intsony,
Ny setrasetran'onjam-piainako,
Efa tony dia tony,
Ny sentonao ry fo fitiavako
Dia tonga hatramin'ny voady,
Fa hoe ny aina no fetra,
Amin-karona sy angady,
Hiara-hiady tsisy fetra
Any am-poko tsamirery,
Any anaty nofiko any,
Any an'eritreritro any,
Any anatin-tsainko any,
Raha izany rehetra izany
Njakahery ANDRIAMALALA
(18 Novembre 2022)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 19/09/2024 06:04