ALINA (Noëlson L. ANDRIANIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina mangina
Tsy anilan'ny tiana
Fa misento sy variana
Eo ampandriana
.
Mahatsiaro fa tsy miteny
Ilay foko manirery
Ho anao tsy misy tery
.
Rehefa resy tory
Mahatsiaro ory
Tsy eo akaikin'ilay anjely
Mamy toa tantely
.
Ireny nofy lalina
Iainana isaky ny alina
Feo milanto amin'ny alina
.
Ilay ianao tao anaty nofiko
Mampisento ny toloko
Manerana ny foko
Ilay endrikao tsara loko
.
Ny maraina avy eo
Tsy nahaleom_peo
Fa lasa vinany teo
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Fitiavana
1032 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA
Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 09/06/2016 10:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105