You are here: home > Vetso

TENA MALAGASY - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Izany no tena malagasy
Tsy mba olona mangasihasy
Fa tena tia ny tanindrazana
No mbola mahay ny fomban_drazana
.
Tsy menatra ny ananany
Fa mijoro amin'ny fahatsarany
Manaja ny fitsipika malagasy
Izay natao an_tsoratra taratasy
.
Izany no tena malagasy
Tsy mba misy loto na feno tasy
Ny fisainana sy ny fiteny
Malagasy ray sy malagasy reny
.
Malagasy,tena malagasy daholo
Ny momba azy manontolo
Izay tena miaro an'i Madagasikara
Fa nosy mamy sy tena tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha