You are here: home > Vetso

MIHOSIN_DRA - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Andro maromaro
Taona mifandimby
Mpitondra mifangaro
No nanefa ny adidy
.
Tolona amin'ny ra
No niatra teto
Malagasy mihosin_dra
Tsy mba afaka misento
.
Fa mitady ilay fahafahana
Ho an'ny Madagasikarantsika
Hiala amin'ny fangejahana
Ny mahazo ny nosintsika
.
Aina maro no niala
Notakiana fahaleovantena
Saingy mbola mihosin_dra
Amin'ny misy tia tena

Hametraka hevitra

Midira aloha