INY ALINA INY - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Azo vakiana?
Iny alina lasa teo
Toa tsy alin'ny mangina
Fa toa nahitam_peo
Mandrotsirotsy ny manina
.
Alina tomaratra soa
Mibitsibitsika ilay tiana
Izay niainantsika roa
Mitsapa ny tena fitiavana
.
Iny alina toa fohy
Tsy ampy ny niainana
Fa tapaka tsy nitohy
Ny alin'iny tsy fanginana
.
Tsy nahitan_tory firy
Fa nibitsika naharitra
Izay tena nikafiry
Ilay alin'iny finaritra
Sokajy :
Fahatsiarovana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 12/06/2016
Mpamangy : 1170
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
TANINDRAZAKO IANAO
MANDEHANA
TENA MALAGASY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
VETSOVETSO
ALINA MANGINA