VETSOVETSO - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Vetsovetson'ny manina
No nahatsaroako azy indray
Feo mangina amin'ny alina
No nalefako taminy indray
.
Vetsovetso samy irery
No nitanisako ny lasanay
Toa lasa ny fijery
Hibanjina ny hoavy indray
.
Vetsovetso tao am-poko
No naveriko eto indray
Fa izaho tsy mba hiova loko
Fa tena matotra hatrizay
.
Vetsovetso mangingina
Toa sarotra hovinaniana
Mahagaga, mahaliana
Ny antom-pisiana
.
Vetsovetso, lasalasa
Ny antony nahatafaray
Raha jerena ny lasa
Tsy hita hatramin'izay
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 09/06/2016
Mpamangy : 1048
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
TANINDRAZAKO IANAO
MANDEHANA
TENA MALAGASY
INY ALINA INY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
ALINA MANGINA