TOMANY (Noëlson L. ANDRIANIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ranomaso hotsakotsaka
No nandrakotra ny tavako
Tomany mivarararaka
No nandaosako ilay havako
.
Tomany miantso mafy
Hoe fa nahoana no misy?
Tomany tsy mba niafy
Saingy nefa indrisy?
.
Nefa indray andro any
Misy mbola ahatsapa
Ilay asarobidin'ny tomany
Fa hoe tena latsapaka
.
Nitomany tsotr 'izao
Ny any anatijo any
Fa nanjary nifandao
Ka tomany sisa no tamy
--------
Rohy:
1587 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA
Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 10/06/2016 12:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148