ALINA MANGINA - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Azo vakiana?
Alin'iny mangiana
Tsy misy fanairana
Velon_tsento tsy iniana
No hany notarainana
.
Ny fo tena tony
No taitra tampoka indray
Toa misintona ny ao am_pony
Mba hitambatra anakiray
.
Manambara zavatra hafa
Izay tsy hay fiheverana
Toa tsy mety voafafa
Ny alaviran_toerana
.
Toa mitsiky mitomany
Ny ao am_pony ao
Te hanambara zavatra hatrany
Te hiresaka,te hitalaho
.
Nefa mangina ho azy
Tonga ny fampanginana
Velom_panantenana sahady
Ny alin'ny fanginana
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 09/06/2016
Mpamangy : 1110
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
TANINDRAZAKO IANAO
MANDEHANA
TENA MALAGASY
INY ALINA INY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
VETSOVETSO