You are here: home > Vetso

ANDRIAMBIA - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Nisy hery nisintona mafy
Nampilefa ilay ditra
Nanova ilay fitafy
Tao anatin'ny minitra
.
Nisy hery nanohana
Tao anatiko tao
Nanoloana ny tafotoana
Ka nanantona anao
.
Ilay andriambia
No nampiasainao
Mba hanova ny dia
Amin'izao fotoana izao
.
Ilay herinao mahery
Toy ny andriambia misdrika
Tsy hiditra lalan_tery
Fa vovona hitarika
.
Dia ianao ry jesoa
No nahatonga izany
Mahalala ny mahasoa
Amin'ny fiainana an_tany

Hevitra mandeha

henrilalainarakoto (09/06/2016 17:09:15)

mafinaritra e!

Noëlson ANDRIANIAINA (12/06/2016 20:20:04)

misaotra e!