You are here: home > Vetso

DITRA - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Aoka re ny ditra
Mba tsy hanenenana
Aleo ihany mipitrapitra
Toy izay tsy hay lembenana
.
Ny ditra anie ratsy foana
Koa sao ianao ho very
Mahita ny zavatra manoloana
Ka miditra amin'ny lalan_tery
.
Ny fiainana koa mandalo
Ka aoka tsy ho ratraina
Ianao lasa be fahavalo
Ka hanary ilay aina
.
Ny ditra koa manimba
Ka miezaha mba miala
Fa sao ho voazimbazimba
Ka ho maro mpakahala
.
Ny ditra tsy mitondra soa
Ka mba hanatra ho anao
Avelao sy hario avokoa
Izay ditra nataonao
.
Tsy misy afa_tsy ny fahendrena
No afaka mitondra famonjena
Tsy ilaina ny ratsy fitondran_tena
Ka ny lalana mahitsy mba jerena