You are here: home > Vetso

NY TANIKO - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Azo vakiana?

Any ambanivohitra any
No misy ny taniko
Toerana nahabe ahy tany
Ka tiako sy tena mamiko
.
Eto Madagasikara ihany
No ahitana izany taniko izany
Tsy lavitra fa akaiky ihany
Dia any ambanivohitra any
.
Tanàna soa tsy voafidy
Fa ny tanindrazako tsy amidy
Tao daholo ny fahazazana
Manana ny fomba nenti_paharazana
.
Madagasikara no tanindrazako
Any ambanivohitra any ny taniko
Teny malagasy no tenindrazako
Koloiko sy harovako ny fananako