TOJO ANAO - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Azo vakiana?
Efa ela no nitadiavana
Omena ilay fitiavana
Mikaroka ilay niriana
Safidy sy tena tiana
.
Ka indro fa niantefa
Ilay fitiavana rehetra
Tojoa anao daholo
Ny fitiavako manontolo
.
Nahita olona tiako
Izay mba nosafidiako
Izay hitako fa tsara
Ka tiako ho anjara
.
Satria efa tojo anao
Ny ao anatiko ao
Izay efa nofefeko
Ho fitia nekeko
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 07/06/2016
Mpamangy : 1142
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
TANINDRAZAKO IANAO
MANDEHANA
TENA MALAGASY
INY ALINA INY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
VETSOVETSO