VONINKAZO - Noëlson L. ANDRIANIAINA
Azo vakiana?
Ny feonao milanto
Ny toetranao tena kanto
Ny fihetsikao mirindra
No tena tiako indrindra
.
Ny tolotrao izay nomena
Toy ny voninkazo nambolena
Iriako tsy hiova
Fa tazomina ho lova
.
Miredareda tsy mety maty
Fa tena tafiditra ao anaty
Tsy misy na iray very
Fa ho anao samy irery
.
Voninkazo ato am_poko
Dia ianao irery ihany
Voninkazo tsy misy loko
Fa mena foana hatrany
.
Voninkazo haingon'ny trano
Manome hatsarana
Ka tsy hiteraka angano
Fa efa voakarakara
.
Toa mahavelon'aina
Ilay voninkazo
Tsy hiketrona maina
Raha voatondraka tsy halazo
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Noëlson L. ANDRIANIAINA

Nampiditra : Noëlson ANDRIANIAINA
Daty : 09/06/2016
Mpamangy : 858
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RafahafatesanaI NENY
HAFATRA
TANINDRAZAKO IANAO
MANDEHANA
TENA MALAGASY
INY ALINA INY
TOMANY
MIHOSIN_DRA
VETSOVETSO