Ô MBA MENATRA ! (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O mba menatra....

O mba menatra lehiretsy,
Nampihomehy I Kotofetsy,
Fa isika mametsifetsy,
Aoka retsy ! aoka retsy!

O mba menatra izay mpiasan'ny fahasalamana,
Mamela ny tsy manam-bola eo mihanahana.
Marina aloha fa matetika tena tsisy ny atao,
Fa raha fitiavam-bola mba vonjeo ny namanao !

O mba menatra ihany zalahy,
Mpiasa ambony latabatra nefa jiolahy,
Fananampirenena ve rangahy,
No aodikodinana... tena mahasahy !

O mba menatra izay fonksionera,
Ny zon'ny olona re mba aza averavera.
Rehefa vita ny asa afaka mifandombera,
Fa ilay olona efa reraka, mivezivezy manjorera.

O mba menatra ry miaramila lehibe,
Ny ho an'ny Tanindrazana masina anie,
Tantsaha kely ve no hakana vola be ?
Raha tsy zany tsy misy ny kilé...

O mba menatra ry zareo mpitsara,
Ny marina indray no dia lasa very anjara.
Voavidin'ny vola sy ny risoriso,
Izay tsy manambola...veloma ny ampitso!

Soa fa tsy ny rehetra no mametsy toa izao !
Misy ireo mahatoky, miasa tsara tsotra izao,
Raha mihabetsaka izy ireo dia ambara aminao,
Madagasikara ho reharehan'izao tontolo izao !

Rehefa tsy mahamenatra ny toetra atao,
Dia mitondra hafanana sy aimbaovao,
Efa ela nijaliana ilay Malagasy toa anao,
Ny fanararaotana re mba ialao,
Sao ho tra-menatra noho ny toetra atao.

Nosy malala
février 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
428 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151