Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ady an-trano (Nosy Malala)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ady an-trano,Tandremo tadremo aza varimbariana,
Antso ihany ity fa tsy zavatra irina,
Jerijereo sy diniho hatrany,
Ireo ady an-trano misy any ho any.
Roapolo taona ny tany Sierra leone,
Resaka diamondra efa ho amin’ny taonina.
Soudan, Myanmar, Yémen....ankehitriny,
Mbola ady mafy, tena mangirifiry.
Analina, anetsiny ny aina afoy amin’ireny,
Ny fitaovam-piadina miparitaka eny ho eny.
Tahotra sy horohoro no misy isanandro,
Antaona maro io, tsy alina tsy atoandro.
Matetika harena no mahatonga ady,
Solika, vatosoa...mena miraviravy,
Tombontsoan’olombitsy matanjaka,
Raha azo sorohana, jereo ny taranaka.
K’andrao variana mifampilavaniny,
Tsotra ny tanjona, ADY amin’ny RARINY.
Miray hina foana fa samy Malagasy,
Misandratra miaraka, toy ireo' ray kilasy.
Nosy Malala
Novambra 2025
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
