Ampianariko mandihy (Nosy Malala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampianariko mandihy,

Etsy kely ange ndry ry Fi,
Ampianariko kely mandihy .
Dihy manana ny maha izy azy
Tokoa moa fa tsy vazivazy .

Atolefika kely ny soroka havanana,
Atolefika kely ny soraka havia,
Eo ambalahana, asina ny tanana,
Arahina tsiky, tarehy feno fitia.

Dihy soroka havia sy havanana
Somary midina ramatokely,
Ralehilahy mampandihy tanana,
Mahafinaritra mahate-hijery.

Ny afindrafindrao koa antsika irery,
Miara miangola amin'ny gadona soa,
Ampitampitao aza avela ho very,
Ny fiaraha midolan'ireo olondroa.

Nosy Malala
Jolay 2022
--------
Rohy:
391 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 17/08/2023 06:25)
Misaotra sy mankasitraka an'Ikalamako amin'ny antsa.
Tsara be♥️
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144