ANTSO AVO ( nosoratana niaraka tamin'ilay tononkalo "Enjana ity covid ity" - Nosy Malala
Azo vakiana?
ANTSO AVO...
Ry Malagasy maneran-tany,
Izaho dia olon-tsotra ihany.
ANTSO AVO no ataoko androany,
Raha mbola misy any ho any....
Olona vonona hanampy,
Ireo mpiray Tanindrazana Malagasy.
Betsaka ny marary, misy koa ireo maty !
Sahalamin'ny miandry, izay ho fipoakan'ny basy !
Fantatra fa be, ny tsy te hanampy intsony,
Efa nanampy be fa tsy nahita vokany ony.
Fa mbola maro koa ireo tia tanindrazana,
Mafy loatra e ! Tena henjana sy mazana !
Isan'ny fotoana izao tokony hiraisana hina,
Hanaovana izay azo atao, izay azo hanampiana.
Tsy misy fifanerena, tsisy fifanomezantsiny,
Fa izay vonona ihany no aoka hanao izay iriny...
Isaorana ireo mandray andraikitra amin'ity ady mazana,
Na ny fitondrana, na olontsotra tia tanindrazana,
Atao angamba fa tsy hifampialona isika,
Fa isaorana daholo izay rehetra mahavita !
NOSY MALALA
Aprily 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Nosy Malala

Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 28/09/2021
Mpamangy : 291
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZarainyHanam-bady
Misy lamozika
Iza ?
"MP"
Fetin'ny vehivavy
Fitia tsy mety ritra
Ny alahady
Iarivo tondradrano,
Ny Vavaka natao