Asio kotrana kely, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asio kotrana kely,

Asio kotrana kely ry mita be,
Any aminao mantsy ny lakilé,
Asio kotrana kely fa kely sisa,
Tsy miverindalana raha tsy tafita.

Asio kotrana kely ny fahasahiana,
Handositra ho azy ilay hakiviana,
Asio kotrana kely dia ho tafavoaka,
Ho tapidalankaleha ny mpanararaotra.

Asio kotrana kely lay fahatokisatena,
Misy hiaro amin'izay ny Fahaleovantena,
Asio kotrana kely dia haranitsaina,
Isika hanjary sarotra ambakaina...

Asio kotrana kely dia ho very seza,
Ireo mpandika lalàna mihevitra fa ngeza,
Asio kotrana kely dia hadio ny tanana,
Ny saina sy ny vatana, samy ho salama.

Asio kotrana kely, hiarak' hibaliaka,
Ilay tandroka aro vozona tsy izy fa isika,
Rehefa ampy kotrana dia malalaka,
Hiadan'ho finaritra ireo taranaka.

Fambolena, vaky boky, fanatanjahantena...
Ireo ilay kotrana ho avin'ny Firenena.
Asio kotrana mba tsy ho voafatotra ,
Gasikara akory tsy tantely afadrakotra.

Nosy Malala
Desambra 2023
--------
Rohy:
173 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0398