You are here: home > Vetso

AVIA RA ORANA Ô ! - Nosy Malala

Azo vakiana?

Avia ra orana ô !
Fa maiky loatse ity tany,
Tsy misy ty hany ho hany,
Ireto hajà rokaky mitany.

Avia ra orana ô !
Fa Mila anao iahay,
MBA tsy ho lasa  tany hay,
Soa avao hamokatse indray.

Avia ra orano ô !
Fa mangetaheta iahay,
Toy hafanana mahamay,
Orontanety hifona ahay.

Avia ra orana ô !
MBA vangio iahay,
Tia handihindihy lahy ,
Hiara falifaly indray.

Avia ra orana ô !
Haha lonaka itoy tany itoy,
Hamonjy ny aty androy,
Ho lasa rehareha indray.

Nosy Malala
janoary 2021