Dada (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada,

Ilay Dada tsy mifidy,
Mampianatra ireo ankizy.
Zoky, zandry,havana koa,
Mikely aina , manome soa.

Mampianatra, hiatrika fiainana,
Mahaleotena ary fitarainana.
Manampinoana, manaja vady,
Entitra anefa koa, tia vazivazy...

Mifaly, na tsy dia manana,
Mankasitraka izay eo ampelatanana.
Mijoro amin'ny marina, tena fitaratra ,
Reharehanay ary tena filamatra.

Atolony avokoa izay azony nomena,
Samy mandray ireo ankizy, tsy terana,
Ao ireo miezaka mampitombo talenta,
Misy ny variana manao zaza toetra.

Fa mandalo ihany izany Dada izany,
Zato taona raha betsaka eto antany.
Ka mahaiza manararaotra rankizy,
Dieny eo i Dada, manatontosa adidy.

Nosy Malala
Mey 2023
--------
Rohy:
358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152