Dinika miaraka amin'ny vary, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dinika miaraka amin'ny vary,

Izaho no vary, tsy misy mahasolo,
Ranonampango rehefa voadoro.
Intelo isanandro, tsy ankiala eo,
Antaonany maro fa tsy mankaleo.

Izaho ovy te hanome toky,
Saingy lazaina hoe, tsy mahavoky.
Aleoko mangina fa saro-tiavina,
Vary avy no mampiavonavona...

Izaho tsaramaso maitso, vonona koa,
Hiandry vary tsy hisy ve, vao hiova fo ?
Be otrikaina no tsy mampitohana,
F'Ilay mandresy lahatra no tena olana.

Izaho saosety ve mba fantatrareo,
Maika daholo miteny hoe leo,
Fa raha ny kalitaoko, tsy voatanisa,
Mampilendalenda ireo any ampita.

Saika tsy hiteny aho fa hiteny ihany,
Zahay voankazo koa tsy latsaka ambany,
Na andro fahavaratra na koa ririnina,
Eo foana zahay mitondra vitaminina.

Ananana aloha raha karazan-tsakafo,
Ny vary anefa afarana sy vidina lafo.
F'ilay fiakinandoha amin'ny vary...
Ndry ry Nosy Malala a, aza be kabary.

Nosy Malala
Mey 2023
--------
Rohy:
401 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316