Dokotera sa tsy dokotera, (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dokotera sa tsy dokotera,

Raha zanakareo ity tanora ity,
Havana, namana na koa "chéri",
Ka hanao dokotera no iriny ho aviny,
ianareo no nanampy azy ho sangany.

Saingy tsy izay aloha no zava-misy,
Tanora mitolona izy, isan’ireo vitsy,
Ka mirongatra maro, hamotika azy,
Ngaha izy nangalatra na namosavy ?

Indraindray isika dia mora misahirana,
Misy zavatra kely dia iny no hifandirana,
Zaran’ny hafa aza mifampivazavaza,
Mampalahelo fa izay aloha no malaza !

Tsarovy ihany anefa, fa ny vola mandalo,
Raha ny mpiraitanindrazana no atao takalo.
Hitazomana seza, hanovana toe-tsaina,
Ka hanadinoina ilay tena fototra ilaina.

Na rasazy, na mpianatra na koa infirmiera...
Maro ny miantso azy ireo hoe dokotera,
Ka ny mpitsabon’ny lavitra andriana...
Dia omena tehaka sy hifaliana.

Nosy Malala,
Aogositra 2025
--------
Lien:
386 0
Commentaires
hery ( 07/08/2025 08:20)
Matetika ny olona mametraka titre eo alohan'ny anarany hoe Dr dia manana doctorat na amin'ny fitsaboana na amin'ny zavatra hafa. Toa tena dokotera izy izany na dia hoe tsy miasa aza. Fa misy antsoin'ny olona fotsiny hoe Radoko na dokotera satria hitan'ny olona miasa ny asan'ny mpitsabo na dia tsy manana doctorat aza. Dokotera foana ireny 😊
TononkaloNM ( 07/08/2025 21:02)
Marina izany, mendrika antsoina presida mihitsy aza izy ireny 🙂
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126