ENJANA ITY COVID ITY (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENJANA  ITY COVID ITY !

Enjana ity covid ity, tsy hita izay aleha,
Vetivety foana ny vatana, dia toa  reraka be.
Tsy maheno tsironkanina, mangatsika,
sempotra, mivalana, tsy afaka mihiaka...

Mandeha haingana hopitaly, nefa indrisy,
Be dia be ireo marary, ny toerana tsy misy.
Ny oksizenina aza moa ifampitadiavana koa,
Nefa io dia tena ilaina mba haha velona soa.

Maro be ireo mpitsabo no marary ihany koa,
Manao izay tratran'ny aina, sy izay mahasoa.
Tsy ampy nefa ny entimanana, ny marary be dia be,
Tao ireo namoy ny ainy, mahery fo fa toa tsy re !

Ny fivarotampanafody, ilaharana daholo,
Tsisy "vitamines, anticoagulant" inona re no azo asolo?
Mitodi-doha mitaintaina, vonjy aina vonjy aina,
Kivy sy ketraka.... iza re no antenaina !!!

Izao tontolo izao mikolay avokoa,
Ny eto amintsika tena maha ontsa fo.
Tsy takatra ilay antapitrisa vidina  ekstractera.
Ny karama? jirama sy hofantrano dia tsy misy tavela !

Mafy ka mafy izato zakain'ny firenena,
Raha izao no hiainan'ny taranaka tena mahonena!
Aoka tsy angalarina intsony ny fananampirenena,
Fa hisitraka amin'izay izany hoe fahaleovantena !

Mirary soa ry Malagasy, fantatra fa mazana,
Vita foana io, ary hovariana ireo mpitazana,
Miara ory  amin'ireo marary, sy mana-manjo,
Ry mpanao afera, aza manararaotra be loatra aloha !

Nosy Malala
Aprily 2021
--------
Rohy:
391 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154