You are here: home > Vetso

FAKAMPANAHY - Nosy Malala

Azo vakiana?

Fakampanahy,

Raha eto antany ihany,
Ny Fakampanahy tsy ho lany.
Ny tompon-tsafidy dia isika  ihany,
Mba tsy ho latsaka amin'izany.

Misy karazany maro izy ireny,
Manintona mafy sy maha te hijery.
Ny vokany anefa mety tsy ho tanty,
Mety ho lasa mpandainga mandramaty.

Fangalarana, fisandohana, fampirafesana...
Fakampanahy azo anatsoahana lesona.
Aleo tsy lalaovina fa afo mandoro,
Manapotika ny fiainana iray manontolo.

Ny mpino raha latsaka, afaka mibebaka,
Ny tsy mpino indray hoy izy rehefa miresaka :
"Tsy iainana indroa ny eto an-tany,
Mila araraotina fa fiainana izany".

Ny fifidianana ny tsara no mitondra fiadanana,
Na fotsy na mainty na ory na manana.
Afaka resena tsara ireo fakam-panahy,
Sahia manao TSIA, dia tsy ho voafatotra ialahy.

Nosy Malala
Jolay 2021