Fanilo (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanilo,

Lasa vinany manontany,
Andro lasa tany ho any.
Raha nandao Ilay fonenako,
Selesitialy nitoerako...

Nisy drafitra voarafitra,
Ny tanjona dia ho finaritra.
Ny Raiko miandry ny hiverenako,
Manomana izay hitoerako.

Raha nandao Ilay ankany,
Mandritra ny ady eto antany,
Ilay Zoky Tompoko, sy Ray.
No namana mandrakizay.

Fiahiny ahy mba tsy ho very,
Reo fanomezana tsy antery :
Mpaminany, soratra masina...
Jesosy no ohatra tarafina....

Ny Fanahy Masin'i Jesoa,
Narotsany ho antsika koa,
Hitaridalana hatrany,
Sy Fanilo eto antany.

Nosy Malala
Mey 2023
--------
Rohy:
329 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105