Fetin'ny vehivavy (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fetin'ny vehivavy,

Tsy mila miady akory, hitovy amin'ny  lehilahy.
Fantatra fa ny vehivavy dia vonona sy sahy.
Tsy misy toa azy, raha olona afaka izy,
Mizara ny mamy, mandresy ny mangidy.

Sitraka no asetry, ny talenta sy ny toetra,
Natolotry ny Ray ho an'ny vehivavy rehetra.
Tsy vitan-dehilahy sady tsy natao ho anjarany,
Talenta tsy voatanisa, reharehan'ireo taranany.

Takiany koa ny hanjakan'ny fahamarinana,
Mijoro sy miaro, mahitsy tsy mivilana.
Fa raha ny vehivavy no lasa ratsy toetra,
Dia ho ripaka daholo ny andalovany rehetra...

Tsaroina anio koa ilay Ray izay nahary,
Satria ny vehivavy dia voafidin-Janahary.
Raha tsisy vehivavy, tsy ho foana ve ny tany ?
Kolokoloy ary izy ireo sy tohatohano hatrany.

Nosy Malala
Martsa 2022
--------
Rohy:
568 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145