FETY TSISY TAOKA (Nosy Malala)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETY TSISY TAOKA,

Iza no vonona hifety tsisy taoka ?
Asaiko ny havana, namana sy ny ranaotra.
Ataoko matsiro ny vary sy laoka,
Ho avy razoky fa rehefa hisotro izy mody hivoaka...

Ho asiana hatsikana sy kilalao,
Izay te hihira, mandray mikirao.
Sokafana ny dihy atao ny afindrafindrao,
Miara-paly no tanjona, ny taoka aloha avelao.

Raikitra ary ! fa tsisy taoka ity fety,
Ahy ny fanasana ka ataoko eo izay mety.
Ny mpivavaka ... mahatsiaro toy ny mpandresy.
Aza midongy razoky, fa andao ré mba hiara hifety.

Dia nahafinaritra ny fety na tsy nisy taoka,
Niara-paly, niara-ravo, razoky sy ny vahoaka...
Moa tsy tratra ny tanjon'ny mifankatia,
Tsy ho hadinoina ny hirahira sy ny fiaraha-nandihy.

Nosy Malala
Mey 2021
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/nosy-malala/fety-tsisy-taoka
Sokajy : Fety
328 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 16/06/2021 08:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.3055