You are here: home > Vetso

FOTSY VOLO - Nosy Malala

Azo vakiana?

FOTSY VOLO

Tena mihafotsy  re ity volo,
Mananika ny dimampolo.
Toy ny vao omaly no tsy tamana,
Raha nasaina naka ny volofotsin'i mama.

Ka handoko sa avela amizao ?
Aleo izay mety amin'ny saina ihany no atao.
Tsy hoe raha tsy mandoko tsy mahakolokolo.
Ny mandoko kosa mbola afaka mamono lolo.

Ilay volofotsy koa anie ka  midika,
Efa Lava ny lalana nodiavintsika.
Ka rariny ny volo raha tsy mainty intsony,
Aleo ireharehana fa tsy Afenina ry tony.

Resaky ny kamo handoko angamba ity,
Ataovy akia izay mety sy mahafinaritra andry.
Na mainty io na Fotsy samy tsara daholo.
Tsikitsikindry no mandravaka ny tontolo.
Nosy malala
Mars 2021

Sokajy : Aingam-panahy