Hanompo Vahoaka, (Nosy Malala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanompo vahoaka,

Hanompo lehibe, sa hanompo vahoaka,
Iza amin'ireo no mety hahatafavoaka ?
Ndrao diso safidy, ho very ny ho avin'ny ankizy,
Isika mianakavy, miara-mizaka ny kirizy.

Ny manompo vahoaka, hivoaka ho mpandresy,
Izay mirehareha mantsy hono dia aetry,
Asandratra kosa ireo manetry tena,
Mpanompom-bahoaka, olomangam-pirenena.

Hanompo vahoaka ? Ampianarina izy ireny,
Hatoky tena, entanina tsy hirenireny.
Sanatria voarebirebin'ny vola, sy angorodao,
Fa vahoaka manan-tsafidy, toy izaho sy ianao.

Aoka tsy arirarira, omena azy ireo ny zony,
Ny volany, tsy aodikidina intsony,
Atao ara-dalàna ny fikarakarana
'reo taratasy, fa tsy ampifilafilàna .

Entanina, hanalavitra ny kitoatoa.
Anarina hatrany hisafidy ny soa.
Samy higoka ny tena hoe fahaleovantena,
Fa mana-mpanompo, reo vahoaka sesehena.

Raha manompo vahoaka de ho be ny zava-bita.
Ampianarina izy ireny, handray apinga sy sobika.
Rehefa hita fa, azo itokisana ireo mpitondra,
Dia iaraha migoka ny volamena, diamondra...

Ny mahomby no ho fitaratra, fa tsy ny avara-patana.
Ny ohatra tsara, miainga avy ami(n)'ireo mpitantana.
Asa no atao fa tsy famenoana paosy .
Vokatra ihany, fa tsy hoe iry manana sy "bogosy".

Rehefa misy zava-bita, tsy atao rehareha,
Miara-paly isika fa tsy mandany vola be .
Ny marina mantsy, dia volambahoaka io,
Fa tsy atao propagandy hoe inty aho fidio.

Sarotra aloha ny tsy hanompo ny lehibe,
Izay no fahazarana, nitaizana ela be,
Fa raha ny mpitondra no manompo vahoaka,
Azo antoka ny Firenena fa ho tafavoaka.

Nosy Malala
Martsa 2023
--------
Lien:
923 1
Fans: voninkazosoa
Commentaires
voninkazosoa ( 31/03/2023 11:18)
❤️
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.013