Hiara hisalahy (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiara hisalahy,

Aman'alin' izahay,
No nahita anao voadaroka,
Gina sy nangahiahy,
Te hitroatra fa toa sarotra...

Teny ratsy arahan'opa,
Niaretanao Izay nitaky...
Hitamasom-bahoaka...
...'lay Zò hianatra sy vatsy.

Toy ny romotra voabaiko,
Ilay tafika toa mihaza hao,
Nandaka anao ry sombinaiko,
...Hitatitra amin'ny patirao!

Isika rehetra no ho sahy,
Hiaro ireo mahery fò,
Tena hiara hisalahy,
Ho an'ny fananan-jò !

Tsy daroka sy teny ratsy,
Toy ireny fahita ireny,
Sanatri(a)hiantso valifaty,
Fa hampianatra ho maodely.

Handray andraikitra daholo,
Maodely amin'ny fanajàna,
Tsy atahotr'horohoro,
Sy lavitra fankahalana.

Maodely amin'ny fahasahiana,
Raha misy Zavatra tsy mety,
Mijoro ho avin'ny any aoriana,
Fa tsy mpanompon'ny vaventy...

Nosy Malala
26 Aogositra 2023
--------
Rohy:
176 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0641