HO AN'I MADAGASIKARA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN I MADAGASIKARA,

Fantako ato anatiko ato,
Ny mpitondra tsara ho anao.
Fa tsy fantako mihitsy,
Aiza ho aiza izy indrisy....

Efa reraka nitolona,
Efa reraka nanantena,
Mbola be dia be ny olana,
Mahantra be ny Firenena!

Betsaka ireo mpanome vola ,
Hamatsiana propangandy,
Saingy tsy azo moramora,
Fa misy tambiny, azafady!

Sarotra ve ny manameloka ny kolikoly ?
Sarotra ve ny miompy sy mamboly ?
Sarotra ve ny mitsinjo ny madinika ?
Sa anjarantsika ny ho ory sy ho bitika ?

Sarotra ve ny manome ireo anjara zo ?
Tompony indray no mitotototo etsy sy eroa ?
Aiza 'ngaha ilay tsy manaiky lembenana ?
Fa tena ho an'ny FANARENANA!

Arenina ny toe-tsaina, ny tsindry azo lena,
Arovana mafy ny harempirenena,
Tsy maintsy sazina rehefa jiolahy,
Na ambony latabatra na any antsaha.

Mila sakafo ny Malagasy,
Raha marary te hotsaboina,
Mila trano fialofana,
Mila fandriampahalemana,
Mpampiantra isan-toerana,
Ilay Malagasy azo ianteherana....

Ka aiza izay mpitondra izay,
Mahalala ny hetahetanay ?
Zay jerena dia midoka tena,
Na ireo efa nanapotika firenena...
Aiza izay mpitondra izay,
Mahalala ny hetahetanay ?
VONONA HIARA HIAFY
Hanandratra ny Malagasy !

.. .Na tsy matoky intsony aza moa,
No ventsoventsoin'izato fò !
Dia miarahaba izay ho voafidy,
Hahavita soamantsara ireo adidy,
Satria ny soa vita ihany.....
No lova apetraka eto antany !
Nosy Malala 2018
--------
Rohy:
459 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105