Iarivo tondradrano, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iarivo tondradrano,

Ndryyy ! ity Iarivo tondradrano,
Ny maso no manganohano,
Lay tafiotra "Ana" nandalo,
Nandavo ireo tanana maro.

Fako va no nahatonga azy io ?
Miezaha  hono mahalala madio,
Hatramin'ny toerana avo sy ambany,
Ahiana  koa ny firotsahan'ny tany !

Dia mamaly ny hafa, samy Malagasy,
Iza no nanome alalana antaratasy,
Nanangana trano, nanotitra tany,
Moa va tsy ireo nifandimby teo ihany?

Natao inona koa hono ny hetra,
Maro ny fitaovana tsy manarapenitra.
Ireo fanariampako mba misy,
Isavovonan'ny fako mihitsy.

Ilaina hono ny "DAM" amboarina,
Saingy mila vola aman'alinalina.
Inona ihany no azo ianteherana,
Be loatra ny laharam-pahamehana... .

Tsy lany mihitsy aloha ny  ady hevitra....
Ny vavan'olona koa  tsy atao mahatezitra.
'ndeha hanome tanana, ireo traboina,
Mafy zato manjo, ka ilaina koloina !

Fa ny zava misy mitondra hafaliana,
Dia  ny Malagasy miray hina.
Na efa may aza ny endimboanjo,
Dia ifampizarana ny sakafo sy akanjo !

Nosy Malala
Janoary 2022
--------
Rohy:
580 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0581