INDRAY MANDEHA (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray mandeha,

Indray mandeha ve no manta vary,
Dia handevin-tsotrobe ?
Fantatra fa ny fo de marary,
F'izay ve no hanimbana ny ho avy ry' se!

Indray mandeha ve no mahatsiaro tsy tiana,
Dia hitanondrika tsy mba ho liana ?
Ny eny antanan'olona aza eritreretina,
Manetsa be mbola ho avy, ndao hiara hietana.

Indray mandeha ve no mahatsiaro voafitaka,
Dia kivy sy mionona tsy mba misitraka ?
Ny hatsaran'ny fiainana eto antany,
ireo zavaboahary, mihira ho antsika hatrany!

Fa ilay indray mandeha...
Dia fiainana sy fianarana anie!
Manandratra ny hoavintsika,
Izay tsy kivy dia tsy maintsy ho tafita.

Nosy Malala
janvier 2021
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
385 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099