Inona moa, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona moa,

Inona moa ny soan'ny raiamandreny.
Mitantara amin'ny ankizy, disadisa lavareny.
Mampangotsika azy ireo, hankahala, hiasa loha,
Nefa ireo lehibe ihany, no tsy mahatony fò.

Inona moa no hamporisihina ny ankizy,
Hoe iny olona iny, mankaleo sy be kirizy.
Ny maso jamba, tsy mahita ny ao ampo.
K'izay tazanina rehetra toa rotika sy lò.

Inona moa no heverina ho mety tombotsoa ,
Ampianarana ny ankizy fosafosa lolompò.
Sa hoe mahazo toky, malahelo koa Ilay zaza,
Ny vokany any aoriana no patsa iray tsy omby vava.

Ny ankizy ampianarina mankahala mbola kely,
Dia ho tadidiny avokoa, tsy ho adinoiny velively.
Ka'lay fony sarobidy, tsy hahay hitia intsony.
Satria efa novokisana sentosento, lonilony.

Raha azo atao ny mampianatra ny zanaka,
Handresy fankahalana, eny hatramin'ny taranaka.
Hiaina am-pitiavana, tsara toro-lalana,
Dia ho sambatra izy sy ho mpitandro Fihavanana.

Nosy Malala,
Mey 2024
--------
Rohy:
97 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153