Iny fa Tonga daholo amizay, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny fa Tonga daholo amizay,

Rehefa malaza Ilay olona iray,
Iny fa Tonga daholo amizay,
Ireo tsy hita, tsy fantatra hatrizay,
Mitory voalohany,mandray finday.

Eo fa mivoaka daholo ami(n'i)zay,
Rakoto anie ka avy any aminay,
Rasoa niaranianatra taminay,
Rabe zanakanadahan'ilay namako izay.

Miakatra kely ary ny dôpamina,
Mahafantatr'olo raha mila fanampiana.
Ny fianakaviana mbola sahira,
Manantena tsy ho arirarira.

Tsara ny miarapaly amin'ireo izay mifaly,
Fa misy toe-tsaina koa mety hoe marary,
Hanantena olom-patatra vao ho afa-jaly...
Mitotongana eny ihany ny sandan'ny ariary !

Nosy Malala,
Janoary 2023
--------
Rohy:
188 1
Mpakafy: antsahoneywinner
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.055