Io seza io, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misahotakotaka ry zareo izany,
Seza no iadivana, ren'ny vazantany .
Olo-be miady seza, no indro mihariary,
Ny vahoaka amin'io, zara mahavidy vary !

Io seza io anie ka tena mampahantra,
Te hanankarena dia ny taranaka no tratra,
Fitiavan-tseza natakalo, banjin'ny ho avy.
Very teo ny saina, maika loatra te hatavy.

Io seza fikirina Io no mifototra amintsika.
Nahitahita na nanolotra, dia indro fa tafita.
Manao izay tiana atao, mitsetsitra hatrany...
"Izay tsy nanota hono, no aoka hitorabato izany".

Tsara akanjo,tsara fiara tsara trano rahateo.
Hifaliana izany raha vola nosasarandreo,
Fa raha fitsetsefana sy tsy fahaiza miasa...
Ny vahoaka miafy kely, zareo mizesta fa pata.

Raha tena tia tena sy mitsinjo ny taranany,
Ireo mpiady seza, dia hahalala ny hifaharany,
Fandrosoana , Fijorona, fialana amin'ny risoriso...
No harena lehibe ho an'ny taranany rahampitso.

Nosy Malala
Febroary 2023
--------
Rohy:
473 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151