ITY PARADISA ITY (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITY PARADISA ITY!

Tsy nampoiziko ho tsara toy izao aty,
Ny vatana no tsy eo fa ny Fanahy miriaria.
Fotsy manjopika, mamiratra ery,
Lafatra sy Kanto ity paradisa ity.

Endrey ny hafalian'ny fo raha nahatazana,
Ireo olontiana nialoha, efa lasankorazana.
Nahavita adidy, nandao ilay tany ngazana,
Nandroso ara panahy tanaty ady mazana.

Endrey ireto izy toa Lafatra avokoa,
Tsy misy fahalemena na koa osa fo,
Tonga miara mitsena " avia mandrosoa",
"Aza mihafahafa, arahabaina tonga soa".

Eo no miandry ny fiverenan'ny Tompo,
Hampiray indray ny Fanahy, vatana sy nofo.
Ahoana no hizarana, hampitana izato porofo,
Tsara Kay aty, tsisy mpisoloky sy resaka maloto.

Dia gaga nahita ireto mpitory filazantsara,
"Oadray ! ngaha mbola afaka mianatra tsara?"
Ireo soratra masina, miaraka amin'ny tantara,
Dia mbola toriana amin'ireo tsy nahalala.

Ny mpamonjy anie ka be famindrampo,
Ny zanany rehetra tiany ho voavonjy avokoa.
Hiara honina aminy ao amin'ny paradisa soa.
Na mainty, na Fotsy, na mahantra... tiany avokoa.
Nosy Malala
APRILY 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
564 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152